Association Mamindrasoa - Akany Paradisan'ny Ankizy

M O M B A   A N A Y

Association Mamindrasoa

Fikambanana miasa sy manohana ireo zaza sahirana sy zokiolona eto Madagasikara

Ankizy mpianatra
Manabe sy manampy ireo ankizy malagasy mba hahazo fampianarana tsara
Ankizy milalao
Mitaiza ara-batana sy ara-tsaina
Zokiolona
Manohana ireo zoky ray aman-dreny sahirana eny an-toerana

Ireo telo voalohany tamin'ny fifaninanana baiboly masina

Hijery lisitra

Voalohany Ramanantsoavina Haingo Sylvia.

Voalohany Tompokovavy Elie Samson Rina Safidy Nomenjanahary Erica

Faharoa Marie Solange

Fahatelo Geneveive

Voalohany Ho Avy

Faharoa Ho avy

Fahatelo Ho avy

📖 Fifaninanana Baiboly Masina Andiany Faha-3

Ny Baiboly Masina

"Ary ny teny tonga nofo, ka nonina taty amintsika." Jn 1:14

Ny Baiboly Masina

Fifaninanana Baiboly Masina Andiany Faha-3

izay atao ao amin'ny Akany Paradisan'ny Ankizy Ambohijanahary

Inona ny tanjona ara-panahy tianao tratrarina amin'ity taona 2026 ity?

Andao hiaraka aminay hanao dingana lehibe, hanazatra tena hamaky ny tenin'Andriamanitra mandritra ny 365 andro. Manomboka amin'ny boky Jenezy ka hatramin'ny Apokalypsa.

Baiboly Masina

Antony: Izy no tia antsika mialoha, ka hiezaka isika hamaly fitia Azy, hahafantatra azy bebe kokoa, hiresaka amin'ny isan'andro amin'ny famakiana ny teniny masina.

Mahafoy 20mn isan'andro ve ianao hiresahana amin'ny Tompo?

TSY MBOLA MISY FISORATANA ANARANA ALOHA FA AFAKA MAKA ILAY PLAN IZAY MAZOTO. MILAZA ETO IHANY REHEFA MANOMBOKA NY FISORATANA ANARANA.

Azonao alaina eto ny plan mirakitra ny vakiteny harahina isan'andro.

📝 Hanoratra anarana

⏳ Ho avy tsy hoe ela ny fisoratana anarana
Manomboka ny Alahady faha-4 ny volana Marsa, dia hisy antso gropy WhatsApp, hametrahana fanontaniana ny boky Jenezy sy Joba. Atao isaky ny Alahady faha-4 ny volana io. Izay te-handray anjara dia afaka mandefa sms (WhatsApp) amin'ito laharana ito. +1-717-645-8675

📰 Vaovao sy Hetsika

Ireo hetsika sy zava-miseho ao amin'ny Akany APA

Mankalaza ny Fetin'ny Noely 2025 ny ankizy

Noely 2025 - Ankizy mandihy Raha misy manome, zava-tsoa anao
Noely 2025 - Ankizy kely Faingana miteny hoe
Noely 2025 - Ankizy mitsangana Misaotra Tompoko o!

Isan-taona dia mankalaza ny Noely ny ankizy ao amin'ny APA, miaraka amin'ireo solontenan'ny FIDES aty Madagasikara, izay ahitana an'i Mme Bako sy Mr Hery. Nanolotra fanomezana ho an'ireo ankizy mpianatra izy ireo nandritra ny fankalazana. Misaotra anareo mpanohana fa feno hafaliana ny ankizy mandritra izao fankalazana ny fahatongavan'i Jesoa Kristy Mpamonjy izao.

Noely 2025 - Mr Hery sy Mme Bako Mr Hery, Mme Bako, Mme Malica
Noely 2025 - Sakafo Sakafo mita-pihavanana
Noely 2025 - Tompon'andraikitra Ireo tompon'andraikitra
Un Gouter Pour Mada

Fitsidihana nataon'ireo vahiny avy any France

Ny groupe Un Gouter Pour Mada (UGPM) izay manohana ny cafetaria na ny sakafon'ireo ankizy mpianatra. Tonga nitsidika teny an-toerana, niara-nifaly tamin'ireo ankizy mpianatra sy ny mpanabe. Misaotra anareo tamin'ny fanohanana hatramin'izay ka hatramin'izao. Ho tahian'Andriamanitra hatrany.

Fitaizam-batana

Hetsika ara-panatanjahantena

Misaotra ireo malalatanana nanolotra Panneaux basketball sy ny football. Feno hafaliana ny ankizy fa afaka manatanja-batana mandritra ny fotoana fakan-drevitra. Misaotra anao Mme Betsy nanome hafaliana ny ankizy.

Jona 2025

Fizarana fanomezana ho an'ny zokiolona

Tonga indray ny fotoana hiarahana amin'ireo zokiolona sahirana eo an-toerana. Volana Jona alohan'ny fetim-pirenena no hanaovana ny fizarana fanomezana voalohany, ary volana Desambra alohan'ny Krismasy kosa no hanaovana ny fizarana faharoa. Hanikavoky fa voninahita hifanomezana, ary mitondra hafaliana sy tsiky ho azy ireo.

Fitsidihana tarihin'i Père Matthieu Thouvenot

Fandraisana ny groupe FIDES mpanohana ny Akany Paradisan'ny Ankizy

🙏 Miarahaba anareo FIDES tongasoa eto aminay

Tonga namangy ny sekoly Père Ratovo sy ny groupe FIDES avy any France androany. Misaotra anareo tonga mamangy anay ankizy ato amin'ny Akany Paradisan'ny Ankizy, ary misaotra betsaka hatrany amin'ny fanohananareo tsy tapaka ny Association MMS amin'ny fanampiana ny Akany sy ny ankizy malagasy.

Ho tahian'Andriamanitra hatrany ianareo, ary mihonerabe ny lany. Tonga mamangy matetika eh! 🙏

Mpampianatra Mahay

Mpampianatra voaofana sy mahay, vonona hanompo ny ankizy amin'ny fitiavana sy faharetana.

Fandaharam-potoana Tsara

Fandaharam-pianarana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy mifanaraka amin'ny toe-javatra eto Madagasikara.

Tanjona ara-panabeazana

Mamolavola ireo ankizy ara-tsaina sy ara-panahy mba ho tonga olom-pirenena hendry, sy Kristianina tia manompo ny Tompo sy ny mpiara-monina aminy sy ny maneran-tany.

ASSOCIATION MAMINDRASOA

TOKO TELO: Finoana - Firahalahiana - Fanompoana

Mombamomba ny fikambanana

[Ampidiro eto ny tantaran'ny fikambanana sy ny mombamomba azy rehetra. Azonao ovaina ity lahatsoratra ity araka izay tianao. Afaka manampy pejy maro ianao raha ilaina.]